
Ny Agence Nationale Anti-Fraude (ANAF) dia mpandray anjara fototra amin’ny ady amin’ny hosoka.
Ny iraka sahaninay izay baiko avy amin’ny Andriamatoa hajaina Filohan’ny Repobilikan’i Madagasikara dia mazava: miaro ny tombotsoan’ny fanjakana malagasy ary koa ireo andrim-panjakana sy ireo loharanon-karen’ny malagasy.
Fitokanana ny Filoha izay manambara ady amin’ny hosoka.
Hatramin’ny nijoroany, ny ANAF dia tsy mitsahatra ny manatanteraka ny tanjon’ny fanjakana tsara tantana sy ny tsy fandeferana amin’ny kolikoly izay nambaran’ny filohan’ny Repoblika. Sampan-draharaha napetraka ho ivon’ny ady amin’ny fanodikodinam-bola ka mitana anjara toerana lehibe amin’ny fitandroana ny fahamarinan’ny andrim-panjakana sy ny ady amin’ny hosoka eo anivon’ny Fanjakana Malagasy
Mivelatra amin’ny lafin-javatra maro ny ANAF mba hanatratrarana ireo tanjona lehibe ireo. Voalohany indrindra dia manao fanadihadiana lalina izy mba ho porofo entina hanenjehana ny kolikoly sy fanodinkodinam-bolam-panjakana amin’ny alalan’ny ekipany manokana sy ny fiaraha-miasany amin’ireo manampahefana isantsokajiny.
Fanampin’izany, miezaka ny ANAF hampiroborobo ny kolontsain’ny fanarahan-dalàna sy ny fahamendrehana eo anivon’ny andrim-panjakana sy ny tsy miankina. Manolotra fanohanana ihany koa ho an’ireo fikambanana maniry ny hanamafy ny rafitra fisorohana sy fitiliana ireo kolikoly amin’ny fametrahana fifanarahana fiaraha-miasa.
Farany, mametraka rafitra fanaraha-maso ny ANAF mba hiantohana ny mangarahara amin’ny fitantanana ny harem-panjakana. Mba hitsinjovana ny fampiasana ny volam-panjakana amin’ny marina, rariny sy hitsiny, dia mandray anjara amin’ny fanamasina ny fahatokisan’ny olom-pirenena ny andrim-panjakana misy azy sy ny fampiroborobona ny fampandrosoana maharitra ara-drariny ho an’ny rehetra ny ANAF.
Ao anatin’ny fanatanterahana ny iraka ampanaovina azy, ny ANAF dia miara-misalahy amin’ny veliranon’ny Filohan’ny Repoblika hananana fitondrana tsara tantana sy ny tsy handeferana amin’ny kolikoly. Ny hetsika hentitra asehony dia manamafy ny faniriany hanorina hoavy hanjakan’ny mangarahara, ny rariny ary ny hitsiny.