Ny ady atao amin’ny famotsiam-bola dia tanjona ho fiarovana ny fahamarinana ara-bola eto Madagasikara.

Ny hosoka ara-bola dia isan’ny tena sakana amin’ny fahamarinantoeran’ny toekarena amin'ny ankapobeny, ary mitarika fahantrana lalina ho an'ireo marefo.

Ny fandrobana ny harena voajanahary dia loza manambana izay miteraka voka-dratsy ka mandripaka ny tontolo iainana sy manankorotana ny fiaraha-monina ary mitarika tsy fifandanjana ara-toekarena.

Ny andraikitra voalohan’ny fanjakana tan-dalàna dia ny manao hazalambo ireo mpandroba ny loharanon-karena samihafa izay hita taratra amin'ny alalan'ny famotsiam-bola, ny fanodikodinam-bolam-panjakana, ny fitrandrahana tsy ara-drariny ireo harem-pirenena sns... ary ny fandrodanana ireo endrika tsolotra mba hampijoroana ny fahamarinana eo amin’ny lafiny fitsarana sy ara-toekarena ho fiarovana ny vahoaka Malagasy sy ny Zony.

LAHATENIN'NY TALE JENERALY

Ry mpiray tanindrazana, ry mpiara-miasa rehetra ary ianareo mpiara-miombon’antoka,

Voninahitra ho ahy no miteny manoloana anareo amin’ny maha tale jeneralin’ny ANAF ny tenako. Ny sampandraharaha izay tantaniko dia ao anatin’ny tolona tanteraka mba hiadiana amin’ireo zavatra manimba ny fiarahamonina izay mahatonga ny fiainan’ny Malagasy mitotongana.  

VAOVAO

Madagascar a célébré hier à l’auditorium Havoria Anosy, la Journée africaine de lutte contre la corruption, sur le thème, « Promotion de l’intégrité dans la lutte contre la corruption », commémorant le 21e anniversaire de l’adoption par l’Union africaine de la Convention sur la prévention et la […]
Les trafiquants de ressources naturelles osent encore prendre des risques malgré la modernisation des appareils de contrôle à l’Aéroport international d’Ivato. Plus de quatre mois après l’interception de l’Indien ayant caché dans son corps quatre boulettes de poudre d’or, le 7 mars, un Thaïlandais a tenté […]
Le body scan récemment installé au départ international de l’aéroport d’Ivato. Un appareil de dernière technologie, récemment installé à l’aéroport international d’Ivato, a permis d’intercepter 1,585 kilo d’or, estimé à 526 millions d’ariary. Quelque chose de nouveau à l’aéroport d’Ivato, que l’on observce dans d’autres aéroports […]