Ny heloka ara-toekarena (ny fampiasàna volambahoaka tsy ara-dalàna, fanodikodinana, fanararaotam-pananana, fandikan-dalàna mifehy ny vola, fananana azo avy amin’ny tsy rariny sns...) dia maneho hosoka mampidi-doza ho an'ny fifandanjana ara-toekarena eto Madagasikara sy ho an'ny vondrom-piarahamonina marefo.
Ireo endrika tsy manara-dalàna ireo dia manakana ny loharanon-karena hiditra amin'ny fanjakana ho fanomezana andraikitra ireo sehatr'asam-pirenena toy ny fampianarana, ny fitsaboana sy ny filaminam-bahoaka ka mampirongatra ny tsy filaminana ara-tsosialy. Io tsy fanaran-dalàna ara-toekarena io dia miteraka ny elanelana ara-tsosialy.
Ny heloka ara-toekarena dia miseho amin’ny endrika maro: ny famotsiam-bola, ny hosoka ara-ketra, ny kolikoly ary ny fanodikodinana ny volam-panjakana sy volam-bahoaka. Ireo dia manimba ny fitantanana ara-bola ary mamela ny mpanao heloka hanafina ny vokatrin’ny zavatra ataony ka mahatonga ny vahoaka tsy hatoky ireo sampan-draharaham-pitantanam-bolam-panjakana.
Ny fampiasana tsy ara-drariny ny volam-bahoaka dia fandikan-dalàna mibaribary ka manaisotra ny fitokisany amin'ireo olom-boafidy na ireo olom- boatendry. Rehefa ny volam-bahoaka no ampiasana ho an’ ny tombotsoan’ny tena manokana na hanaovana kolikoly dia mahatonga ny mpitondra tsy ahavita ny asany izay takina aminy.
Mba hiadiana amin’ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fampiasàna ny volam-bahoaka tsy ara-drariny dia ilaina ny fiarahamiasa mirindra sy mahomby. Tafiditra amin’izany: - ny fanatsarana ny lalàna; - ny fangaraharana amin'ny fitantanana - ny fandraisana andraikitra isan'ambaratongany; - ny fampiharana henjana ny lalàna, - ny fanentanana ny vahoaka amin’ny fanamafisana ny fitantanana, - ny fanasaziana ny mpanao kolikoly sy ny mpanodikodim-bola; Afaka mametraka isika tontolo izay hampiasana ny volam-panjakana ampahamendrehana mba hisy voka-tsoa ho an'ny olom-pirenena.