Ao amin'ny Direction des Opérations dia misy ekipa natokana hamakafaka sy hamintina ny vaovao sy ny angona voaray.
Ity ekipa ity dia miasa amin'ny famaritana ireo karazana hosoka, famakafakana ny angon-drakitra eo ampelatanany, ary mamadika izany ho tatitra amin'ny Direction des Opérations.
Manome ireo mpanao famontorana ny angom-baovao hanatsarana na hanamafisana ny fandinihana eny an-kianja izy.