Mizara roa ny andraikitra sahanin'ny Direction de Soutien:
-Ny voalohany dia mpanolon-tsaina ny Tale Jeneraly eo amin'ny lafiny fitantanana sy ara-bola.
Manarak'izany dia izy no miandraikitra ny fampandehanan-draharaha amin'ny fitantanana ny mpiasa, ny vola ary ny fitaovana.
Misahana toy ny anak'andriamaso ho fampanaran-dalàna hentitra ny fitantanan-draharaha sahaniny. Izy no tompon'andraikitra manolo-kevitra ny Tale Jeneraly sy manao izay hampandeha ny asa sahanin'ny Direction des Opérations amin'ny lafin'ny materialy sy olombelona.