Ny Filohan'ny Repoblika no manendry ny Tale Jeneraly ho mpitantana ny ANAF izay sampan-draharaha miankina amin'ny fiadidiana ny Repoblika.
Mpiasa efa za-draharaha no mandrafitra ny ANAF toy ny : miaramila, zandary, polisy, mpiandraiki-draharaha sivily, mpitsara, sns... izay miara miasa aminy. Izy irery no misolo-tena ny ANAF amin'ny fifandraisana any ivelany.
Mizara andraikitra roa lehibe ny asa sahanina eo anivon'ny Sampandraharaham-pirenena miady amin'ny hosoka izay ahitana ny fitantanana ankapobeny ary ny fanadihadina sy ny fitsirihana. Mahaleo tena ireo asa ireo.