Ny famotsiam-bola dia zotram-panatanterahana entina hamadihana ireo vola azo tsy ara-dalàna ho amin'ny ara-dalàna ka manafina ny tena fiaviany tsy mari-pototra.
Mba hiadiana amin’ny famotsiam-bola amin’ny fomba mahomby dia mila fitilina amin’ny lafiny rehetra. Izany dia miainga amin’ny fampiharana ny lalàna mba hanamelohana sy hanasaziana ireo meloka, fa indrindra manao ezaka amin’ny fanaraha-maso hahafahana mahafantatra ireo seho mampiahiahy ao anatin’ny fitantanam-bola.
Fanampin’izany dia mila ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpampihatra ny lalàna, ny sampan-draharaha misahana ny hosoka ary ny andrim-pitantanam-bola mba hahafahana manohitra ireo tetika avo lenta ampiasain’ireo mpamotsy vola.
Ny hai-tao avo lenta toy ireo fanaovana fanadihadiana tahirin-kevitra sy ny fahaiza-manao noforonin’olombelona (IA) dia mitana toerana ambony amin’ny famantarana ny tambajotra famotsiam-bola sy ny rantsana mpandika lalàna. Noho izany, ilaina ny fanatevenana ny fahaiza-manao mba hisorohana amin’ny famotsiambola.
Ny fanentanana ny vahoaka amin’ny maha loza mitatao ny famotsiam-bola sy ny fiatraikany ratsy eo amin’ny fiarahamonina no tena paik'ady mahomby hiadiana amin’izany.
Tena ilaina ny fiaraha-mientan'ireo rantsa-mangaika ny fanjakana hiadiana amin'ity karazana hosoka ity.