
Ry mpiray tanindrazana, ry mpiara-miasa rehetra ary ianareo mpiara-miombon’antoka,
Voninahitra ho ahy no mampita aminareo amin’ny maha tale jeneralin’ny Agence Nationale Anti-fraude ny tenako. Ny sampandraharaha izay tantaniko dia ao anatin’ny tolona tanteraka mba handravana ireo karazana fandikan-dalàna sy ireo minia manao ampihimamba ny harem-pirenena ka mahatonga ny fiainan'ny malagasy mitotongana.
Ny famotsiambola, ny fanondranana harena voajanahary tsy nahazoana alalana, ny kolikoly rehetra amin’ny endriny maro ary ireo fitrandrahana tsy aradalana na fanodikodinana fananambahoaka dia fanamby tena sarotra izay mitaky valiny mivaingana sy itokisana.
Ny iraka ampanaovina anay izay baiko avy amin’ny andriamatoa hajaina Filohan’ny Repoblikan’ny Madagasikara dia mazava : miaro ny tombotsoan’ny Fanjakana Malagasy sady miaro ihany koa ireo andrim-panjakana sady miaro ireo loharanon-karena rehetra izay an’ny Malagasy rehetra.
Manatanteraka ny asa izahay ampahamatorana, tsy manavakavaka sy fahaiza-miasa amin’ireo fanadihadiana izay ataonay na amin’ireo zavatra ataonay handraisana fepetra mialoha na tsy maintsy hanaovana tsindry.
Ny tanjona kendrenay dia ny hamerina ny fahatokisan’ny vahoaka amin’ireo andrim-panjakana sy hampiroboroboana ny tontolo anjakan’ny fangaraharahana sy ny fahamarinana.
Eto aho dia maneho fisaorana manokana hoan’ireo izay rehetra niara-niasa taminay amin’izao andraikitra lehibe izao. Hiaraka isika hiady amin’ny fanodikodinam-bola ho fiarovana ny firenentsika.
Mankahery anareo aho amin’ny fanolorantena efa nasehonareo sy ny fahafoizantenanareo amin’izao antony ambony dia ambony izao. Raha mitambatra isika dia afaka manangana ny hoavy tsara kokoa hoan’ny rehetra.
Ho ela velona anie Madagasikara!
VOAHANGY ANDRIAMANALINARIVO Nirinjatovo Haja Tiana, Tale Jeneralin'ny Sampandraharaham-pirenena miady amin'ny hosoka.