Ny fandrobana ny harena voajanahary dia tena loza miteraka fanapotehina ny tontolo iainana sy ny mponina ao aminy ary mampitotongana ny toe-karena. Izany toe-javatra izany dia miseho amin'ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary toy ny harena an-kibon'ny tany, ala, biby ary harena an-dranomasina.
Ny vokadratsy ateraky ny fandrobana harena voajanahary dia: - fahasimban’ny rohivoary, - fahasimban’ny tany, - fahasimban’ireo zava-manan’aina samihafa, - fahasimban'ireo faritra arovana, - fifindra-monina, - fikorontanana ara-tsosialy sy tontolo iainana ary mampirongatra haingana ny tsy fitovian'ny fari-piainana.
Ankoatr'izay, ny fandrobana tsy ara-drariny ny harena voajanahary dia miteraka ny firoboroboan'ny kolikoly, ny fanaovana heloka bevava sy ny fifanolanana dia mampisy korontana sy lonilony ara-tsosialy sy ara-politika.
Raha misy ny fiarahamiasa sy fiaraha-mientana, afaka manantena isika fa voaarontsika ireo harena voajanahary mba ho an’ny taranaka faramandimby ary koa ho fampandrosoana maharitra sy mirindra.