Ny hosoka dia miavaka amin'ny fanodinkodinam-bola, ny fananana, ny fitaovana ataon'ny orinasa iray, olona iray na vondron'olona iray.

Fanampin'izany, ny hosoka dia heloka bevava ahitana hetsika natao tamin'ny fomba tsy ara-drariny na tsy ara-dalàna hahazoana fanekena, tombontsoa ara-materialy na ara-moraly mba ialana amin'ny fampiharana ny lalàna.

Ny andraikitry ny Sampandraharaham-pirenena miady amin'ny hosoka (ANAF) amin’ny ankapobeny dia ady amin'ny: - famotsiam-bola, - fandrobana harena, - fivadiham-pitokisana, - fanararaotam-pahefana, - fanodinkodinana fananam-panjakana, sns..., raha fintinina, ireo hetsika rehetra ireo dia manimba ny rafim-pitantanana sy ny mpiray tanindrazana.

Ny ANAF dia manatanteraka hatrany ny andraikiny ao anatin'ny fanajana ny lalàna ka mampihatra izany na amin'iza na amin'iza, na inona na inona mety ho endrika fisehon'ny hosoka.

Ny Sampan-draharaha dia toy ny rohy ao anatin'ireo fikambanana miandraikitra ny ady amin'ny kolikoly.

Amin'ny alalan'ny fahefana izay ananany, ny fahafahany miditra an-tsehatra amin'ny fotoana rehetra eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara, ny traikefan'ny olom-pirenena ao aminy; ny ANAF dia mahafeno ireo fepetra rehetra ahafahany manongotra amin'ny fotony ny hosoka, hisamborana ireo mpandika lalàna, hanamafisana ny fanjakana tan-dalàna mba hiarovana ny vondrom-piarahamonina marefo.