ADIDY ny mitatitra hosoka
Ny tsy fanaovana izany dia FIRAISANA TSIKOMBAKOMBA

 Amin'ny alalan'ny fitorohana ny hosoka, ny olom-pirenena tsirairay dia manampy amin'ny fampitsaharana ny tsy fanarahan-dalàna, manasazy ny mpanao ampihimamba ary mamerina ny rariny sy ny fitoniana ara-tsosialy.

Azonao atao ny mitoroka amin'ny alalan'ny Laharana Maitso "912" na mandefa mailaka amin'ny « signalement@anaf.gov.mg » na mameno ny modely etsy ambany.

Ny Laharana maitso* (azo antsoina amin'ny 09 ora ka hatramin'ny 04 ora hariva )

912

*Maimaipoana ho an'ny antso Orange ary misy sarany kosa amin'ny antso Telma sy Airtel

Torolàlana momba ny laharana maimaimpoana

  • Omano ny angom-baovao momba ny hosoka tianao holazaina aminay.
  • Manomàna laharan-tarobia na adiresy mailaka ahafahana mifandray aminao.
  • Ny antsipirihan'ny hosoka izay hitanao na nianjady taminao no taterinao.
  • Hisy tompon'andraikitra ao amin'ny ANAF hifandray aminao ary hitazona izany ho tsiambaratelo.


Ny antso izay ataonao sy ny mombamombanao dia ho tazomina ho tsiambaratelo avokoa.

Matokia fa ny fiarovana anao no laharam-pahamehanay.


  • Tsy maintsy misy fampahalalana azo hanamarinana ny tatitrao.
  • Hisy tompon'andrikaitra hanamarina ny tatitrao
  • Hisy mpanadihady hifandray aminao. Ho tazomina ho tsiambaratelo ny mombanao sy ny fitorohana ataonao.
  • Ny fitorohana rehetra dia ho fakafakaina ao anatin'ny 48 ora fiasana.
  • Aza averina alefa ny tatitrao raha tsy nifandray taminao tao anatin'ny 48 ora ny ANAF.
  • Ho fiarovana anao, aza zaraina amin'ny manodidina anao ny fitorohana izay hataonao.

Ho an'ny filàna amin'ny fikirakirana ny fitorohanao dia manomeza farafahakeliny fomba iray hifandraisana aminao (mailaka, laharana finday, sns . ..)

Aza mamaly ny fangatahana vaovao ankoatra ny avy amin'ny ANAF: @anaf.gov.mg .

Ho tazomina ho tsiambaratelo ny mombanao sy ny fitorohana ataonao.

Amin'ny alàlan'ny mailaka signalement@anaf.gov.mg ihany no hifandraisana aminao na amin'ny iray amin'ireto laharana manaraka ireto 038 61 716 16 / 032 39 868 61 / 033 87 371 97.